Iza moa Andriamatoa RAKOTOARISOLO Auguste?

Teraka tamin’ny 10 mai 1938 tao Ambatolampy,

Zanak’Itompokolahy RAKOTOSON Auguste sy Itompokovavy Rasoarinoro.

Nampakatra an-dRamatoa RAZANABELONORO ho vady ny 06 Febroary 1965 tao amin’ny FFMA Mangatany Arivonimamo.

Niteraka 5 mianadahy. Zafikely 8 ary zafiafy 1.

Natokana ho mpandray teto amin’ny FJKM Ambalavao Isotry izy mivady ny taona 1979 ary samy voafidy ho Diakona ny taona 1983.

Taona 1984 no voafidy ho biraom-piangonana; mpitantsoratra izy ary nitana izany andraikitra izany hatramin’ny ny taona 2008 nanokanana azy ho loholona teto amin’ny FJKM Ambalavao Isotry.

Mpikambana tao amin’ny SLK teto amin’ny FJKM Ambalavao Isotry ary mbola notohizany izany tany amin’ny FJKM Andranomena izay toerana nonenany farany.

Anisan’ireo Malagasy niatrika ny ady tany alzeria izy ny taona 1962.

Niasa tao amin’ny ministeran’ny vola sy ny teti-bola izy talohan’ny hisotroany ronono.

Ny 27 may 2018 izy no nodimandry ary milevina ao Andranomena Arivonimamo ihany.


20
JIRajira


Crée le mercredi 05 septembre 2018 à 05:40:27

Jereo ihany koa

  • Tantara ny Sekoly Protestanta.

    Manana ny tantarany manokana eo amin\'ny fiainan\'ny sekoly FJKM ny taona 2018 satria 200 taona amin\'ity volana Aogositra ity no [. . .]

  • Iza moa : Atoa RAJAONARIVELO Théodoret, Mpitandrina ?

    Nitandrina teto amin’ny FJKM Ambalavao Isotry nandritra ny 23 taona . Nankalazaina ny taona 2017 teo ny faha-90 taonany. [. . .]

  • Ny Protestantisma

    Ny FJKM dia Fiangonana « Réformé », protestanta, teraka avy amin’ny fanitsiam-pivavahana niseho t[. . .]

    Mpintandrina Eliezera

    » An-tsipirihany
  • Rasalama Maritiora

    Ny sombitsombin-tantaran\'i RASALAMA Maritiora na RAFARAVAVY nandritry ny taona 1810 - 1837

    Ny Tantaran'i Madagasikara

    » An-tsipirihany