Mortadelle vita ao an-trano

Akora ilaina

- Soron-kisoa----------------------500g

- Tapotsin'atody ------------------4

- Tavi-kena -----------------------250g

- Lard efa voatetika manify -----650g

- Voanjo --------------------------25g

- Sira, dipoavatra vovony sy voany, tongolobe

Fomba fikarakarana azy

Esorina tsara ny hozatra amin'ny soron-kisoa

Potsehina miaraka ao anaty mixeur ny tongolo sy ny tapotsin'atody ary ny sira sy dipoavatra, ka tokony hahazo fangaro mivaingana tsara.

Tetehina madinika ny tavin-kena sy ny voana dipoavatra ary atambatra amin'io fangaro io

Maka fil alimentaire dia velarina manaraka ny halavany eo ambonin'io ny lard. Tsy asiana elanelany satria hatao eo amboniny koa ilay hena voapotsika azo tetsy ambony ary ahorona ho boribory dia fatorana mafy tsara ny andaniny sy ny ankilany mba tsy hidiran'ny rano ao anatiny.

Alefa anaty rano mandifotra azy tsara

Andrahoina ora roa eo ho eo ary atsoboka avy hatrany ao anaty ranomangatsiaka be (efa nasiana vaingan-dranomandry ohatra).

Ampidirina mandritra ny indray alina ao anaty vata fampangatsiahana.

Ny ampitso vao vahana ka azo hanina avy hatrany.


00
JIRajira


Crée le jeudi 29 mars 2018 à 05:15:24

Jereo ihany koa

  • Cure de Jus

    Fisorohana ny karazan\'aretina amin\'ny alalan\'ny ranom-boankazo.

    Lidie Jhon Hanitriniaina

    » An-tsipirihany
  • Ny tsara ho fantatra mahakasika ny tera-bao

    Tsetsatsetsa tsy aritra ho anareo tanora ! Amintsika Malagasy : -« Arahabaina nomen’Andriamanitra ny fara ! &raqu[. . .]

    Irako AMMI A.

    » An-tsipirihany
  • Torohevitra mahasoa anao Diabetika

    Mahay mametra ny siramamy hohanina :Ny mamy no tsiro tian\'ny lela indrindra. Tokony ho ferana ihany anefa ny zava-mamy hohanina s[. . .]

  • Fanalana arafesina na tasy amin'ny lamba

    Toro-hevitra fohifohy momba ny fanala ny tasy amin\'ny akanjo na lamba.