Mipetrapetraka eto izahay no indro nanantona dokotera iray kotsan-dranomaso.
-Fa misy inona Dokotera? Maninona ianao?
« Androany hoy izy no andro mampalahelo ahy indrindra teo amin'ny fianako sady nitomany izy. Amin'ny maha Docteur ahy dia mitsabo sy mi-traité vehivavy maro maniry hanan-janaka sy bevohoka ary hiteraka aho. Tsy mitsahatra mivavaka amin'Andriamanitra aho mba hitahiany ny vehivavy rehetra. Ny fanaintainana lalovana sy sedrain'ny vehivavy eo ampitondrany vohoka mandritra ny 9 volana indrindra eo am-piterahany
. Misedra zavatra maro izy ireo eo ampitondrana AINA
. Fa androany
androany mangidy amiko ny zava-mitranga
. Maty ilay vehivavy nampiterahako
. Efa nivavaka sy niezaka aho nanao izay fara-heriko fa saingy izao angamba no lahatr' Andriamanitra. Nahoana no mafy loatra ny fanaintainana sy zavatra sedrain'ny vehivavy? Nahoana?
Momba nandritra ny 14 taona izy , nandramako ny FIV eo amin'ny fahaizan'olombelona sy fikarohan'ny olombelona ary farany dia notahian' Andriamanitra izy ary nitoe-jaza na teo aza ny KYSTE OVAIRE sy ny FIBROMES lehibe taminy. Nolevonina ny fibromes taminy ary tena fahagagana fa afaka soamantsara ilay izy nohon'ny fahasoavan' Andriamanitra
Alina noetin'ny vadiny tato amin'ny hopitaly izy ary tonga aho nanaraka azy. Nietsi-jaza efa ora maro izy ary tsapako ny fanaintanana taminy ary nilaza aho fa afaka adin'ny 7 dia hodidiana izy raha tsy misokatra ny vozon'ny tranonjaza. Velona soamantsara ilay ZAZAKELY
fa izy kosa tsy tana ny ainy
. Saingy alohan'ny ahafatesany dia mbola noraisiny teny an-tratrany ilay zaza no nitsiky izy sady niteny izy oe "LEHIBE ANDRIAMANITRA"
avy eo nanary aina izy ary maty
.
Malahelo aho, maizina ny tany aman-danitro hoy Dokotera sady vao maika nitomany izy.
Nivoaka aho izy andeha ampilaza ny vadiny, mila tsy ho zakako mamindra ny tongotro manantona azy! Vao nilazako ny vaovao izy dia torana tsy nahatsiaro tena. Androany izahay NAMOY AINA MBA HANOME AINA. Miangavy anareo aho HAJAO NY VEHIVAVY fa mandalo lohasahan'ny FAHAFATESANA izy ireny mitondra vohoka(aina)
Hajao ny VADINAO,NY RENINAO, NY ANABAVINAO , NY VEHIVAVY rehetra fa mafy ny hoentiny izy ireny!
Androany aho mivavaka ho an'ireo VEHIVAVY REHETRA te hanan-janaka sy mitondra vohoka.
Hotahian' Andriamanitra anie ianareo ka ho teraka soa amantsara ary omen' Andriamanitra anareo ny hery entinareo miatrika izany.
Manana ady amin'ny vadinao ve ianao? Na amin"ny Reninao?
Nde antsoy izy dia miresaha aminy, ampifalio izy , mifona aminy fa fotoana indray mipi-maso dia mety tsy eo intsony izy!
Latsaka ny ranomasoko.
Notsongaina manokana ity lohahevitra ity noho ny fahatsapana fa tena mitàna anjara toerana lehibe eo amin’ny sehatry [. . .]
Mpitandrina RANDRIANTINA Rojosoa Fetrarivo
Ny mpampinany: Olona nantsoin’Andriamanitra mano kana hiteny sy hitondra hafatra ho an’ny firenena sy ny fiaraha-mon[. . .]
Mpitandrina RATSIAVAHANA Zaiarimalala Edina
Fanirian\'ity zazalahy kely iray ny mba ahita izany fivoaran\'ny akorandandin-tsamona izany ka naka iray izy ary nandinika akaiky [. . .]
Fikambanana Fianarana
Ry Havana, Fantatrao ve fa andro farany izao? ary efa antomotra ny faran\'ny zavatra rehetra; na dia hifarana aza anefa izao tont[. . .]
ANDRIANASOLO Mbolatiana, Mpitandrina