Ny mpino no fanasin'ny tany ary fahazavana ho an'ny mpiara-monina aminy

Ianareo, ianareo, no FANASIN’NY TANY,

Hahatonga fiainana mamy dia mamy,

Ny tsirom-pinoana tsy mba ho lany,

Hitehirizo fiainana hahatamana hatrany.

Ny herinao ry SIRA, tena vidina lafo,

Mahatonga tsiro ho an’ny sakafo,

Misy fiantraikany amin’ny fiarahamonina,

Hanafoana ratsy tsy tambo hotononina.

Ianao ilaina hiady amin’ny fahalovana,

Ilaina koa hananana ny fahadiovana,

Ny ratsy mandrava, toa kalalao,

Ho levona raha mifanena aminao.

Ny fihinanana anao mampangetaheta,

Hananam-piainana tena avo lenta,

Hitoeran’ny herim-pinoana mahery,

Hijoro ho masina sady modely.

Ianareo mihitsy no FAHAZAVANA,

Hamirapiratra eto amin’ny tanàna,

Handray ny taratra avy amin’i Jesoa,

Ilay Fahazavana tsy manam-paharoa.

Ilaina ianao tena hamirapiratra,

Hitsilo ny dian’ireo izay mihiratra,

Tsy hiraparapany anaty aizim-be, 

Atoroy azy izay tokony haleha.

Ny fanaovan-tsoa sy toetra tsara,

No fahazavana izay tiana hambara,

Ny aizim-pahotana sy tsy fahalalana,

Itariho azy hiala, tsy ho babon-tsatàna.

RY HAVANA,

Tandremonao sira ho tonga matsatso,

Mila lazaina izany, atao antsoantso,

Hanjary tsy misy ilana azy intsony,

Hohitsahin’ny olona, tsy hajainy ny zony.

Aza afenina ambany vata famarana,

F’aoka hirehitra tsy hanam-pitsaharana,

Apetraho amin’ny toerana fanaovan-jiro, 

Hanazava ny trano sy tena hitsilo.

Aoka ho tanàna an-tampon-tendrombohitra,

Ho tazana sy dinihin’ny iray vohitra,

Ho fianarana amin’ny toetra masina, 

Ambany fitarihan’ny Fanahy Masina.

 

Nirinan'i Jesoa.

Pasteur Randrianomenjanahary Narivelo Nirina,

FJKM AMBOHIMARINA FAHARETANA




Crée le mercredi 05 décembre 2018 à 12:47:26

Jereo ihany koa

  • MIZARA HAFALIANA!

    Ho gaga angamba ise raha ilazako F’ilay bibikely, ilay mpitsindroka fako, Dia tsy mba miavona na koa tia tena Fa mizara f[. . .]

  • MANGIDY-MAMY

    MANGIDY sy mafaitra, Mangeroka tsy laitra, Izato tsirom-piainana, Ka iza no itarainana? Toa tena tsirom-bahona, Masoandro tak[. . .]

    Pasteur Randrianomenjanahary Narivelo Nirina

    » An-tsipirihany
  • Vontosy filazantsara i Madagasikara

    Tononkalo fanentanana ho anao izay mitady ho kivy na hangatsiaka amin\'ny asa fanompoana sy fitoriana ny Filazantsara, nefa nametr[. . .]

    Irako AMMI A.

    » An-tsipirihany
  • EKS 23.1-9 an-tononkalo

    EKS 23.1-9 an-tononkalo; Andriamanitra mitsinjo fiaraha-miaina, Manome lalàna, tena mila lalaina, Mampirindra tsara ny i[. . .]

    Pasteur Randrianomenjanahary Narivelo Nirina

    » An-tsipirihany