MANGIDY-MAMY

MANGIDY sy mafaitra,

Mangeroka tsy laitra,

Izato tsirom-piainana,

Ka iza no itarainana?

Toa tena tsirom-bahona,

Masoandro takon-drahona,

Tsy afaka ny hamirapiratra,

Tsy misy andro mihiratra.

Toa re manaintaina,

Anaty fo sy saina,

Tsy misy fiadanana,

Fa foana ny eo an-tanana.

Fa fahorian-tsy zaka,

Mahakivy, mahavaka,

Sokina nanani-bato,

Very hevitra, ka hiato.

Maneno sahona ny aleha,

Mizotra an'aizim-be,

Toa tsy hisy fitsaharana,

Angamba izaho niangarana?

TSIA,

Tsy ianao no adino,

Fa jereo sy banjino,

Fa misy maso iray,

Nibanjina hatrizay.

Efa teo mandava-taona,

Nefa nodianao tsy tsaroana,

Te-hitarika anoloana,

Ho arahina am-pinoana.

Tsy iza izany fa i Jesoa,

Mpitahy sady mpanasoa,

Efa mandona am-baravarana,

Hanolotra ilay fitsaharana.

Raiso Izy, ianao hiadana,

Hifarana ny fahavoazana,

Hitsiky ianao, tsy hitomany,

Ny fiainana ho tonga MAMY.

 

Nirinan'i Jesoa.

Pasteur Randrianomenjanahary Narivelo Nirina,

FJKM AMBOHIMARINA FAHARETANA




Crée le jeudi 22 novembre 2018 à 13:33:18

Jereo ihany koa

  • Mahereza, Mahefa

    Hira faneva faha-140 taona niorenan\'ny Fiangonana FJKM Ambalavao Isotry

    RAKOTOARISOA Raymond

    » An-tsipirihany
  • Aoka aloha

    Efa taona aho izao Mbola zaza loatra Raha hisaina ny aminao Roa ambin\'ny folo taona Mbola milalao Fa any ianao Roapol[. . .]

    Zo Nantenaina

    » An-tsipirihany
  • Soratro ho an'i neny

    Litera kely maromaro Mba voasoratry ny tanako, No narafitro hifangaro Ilazako izay ananako. Ny Zana-tsoratra rehetra Ireo Nam[. . .]

  • Ny mpino no fanasin'ny tany ary fahazavana ho an'ny mpiara-monina aminy

    Mat.5:13 an-tononkalo. Hianareo no fanasin\'ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy[. . .]

    Pasteur Randrianomenjanahary Narivelo Nirina

    » An-tsipirihany