Soratro ho an'i neny

Litera kely maromaro

Mba voasoratry ny tanako,

No narafitro hifangaro

Ilazako izay ananako.

Ny Zana-tsoratra rehetra

Ireo Nampianarinao ahy,

No noezahako havoitra

Ilazako  izay mba ahy.

Reni-tsora-telo monja,

D’Ireo samy an-doha-lela,

No nanampiako hampa-hafonja

Ilay hotononiko tsy ho ela.

Atambatro ho iray androany

Izay voasoratro ho anao,

R’ilay tokako eto an-tany:

“Neny o! ..tiako ianao”.

 

 

Jirajira ( 27 may 2018 )

 

 

 


20
JIRa²


Crée le dimanche 17 juin 2018 à 13:07:29

Jereo ihany koa

  • NY ANTONY

    Rehefa izy no milaza fa tsy vizana izy akory, Lazainy koa fa hoe : salama, hay ny rofiny afeniny ! Rehefa injay fa drodroky ny f[. . .]

    Sorohitra Ranitra

    » An-tsipirihany
  • MPITS 19. 22-30 an-tononkalo

    Ny manam-panahy miavaka, Manana toetram-pivavaka, Miaina am-pahamendrehana, Tia fandriam-pahalemana. Manavanana azy[. . .]

    Pasteur Randrianomenjanahary Narivelo Nirina

    » An-tsipirihany
  • Aoka aloha

    Efa taona aho izao Mbola zaza loatra Raha hisaina ny aminao Roa ambin\'ny folo taona Mbola milalao Fa any ianao Roapol[. . .]

    Zo Nantenaina

    » An-tsipirihany
  • A l'occasion de la fête des pères

    Tu mets tes mains sur ton visage Tu me demandes si j\'étais sage Tu me prends sur tes genoux Et là contre toi, bi[. . .]