NY ANTONY

Rehefa izy no milaza fa tsy vizana izy akory,

Lazainy koa fa hoe : salama, hay ny rofiny afeniny !

Rehefa injay fa drodroky ny fiaretan-tory,

Tsy tiany handreraka anareo ny asa saina lavareniny.

 

Izy anie na miady mafy, tsisy soritra hakiviana,

Mahay mitsiky hatrany anaty fahoriana lalim-paka ;

F’ianareo no tiany ho sambatra, tsy hanana ahiana,

Fo mitia hatramin’ny fara-vovok’aina mety ho zaka.

 

Na tsy fantany ny antony hanosika azy handainga !

Ary angamba tsy ho ampy hanazava koa ny teny,

Ny azo antoka dia hery avy ao anaty no manainga

Ilay fitiavany ny tiany izay manemitra an’ireny.

 

 

Sorohitra Ranitra (11may 2018)


20
Sorohitra Ranitra


Crée le dimanche 17 juin 2018 à 12:34:44

Jereo ihany koa

  • Mahereza, Mahefa

    Hira faneva faha-140 taona niorenan\'ny Fiangonana FJKM Ambalavao Isotry

    RAKOTOARISOA Raymond

    » An-tsipirihany
  • Tranom-bitsika

    Raha endrika ivelany toa tsy maha-taitra F\'izay zava-raiketiny no tena tsy laitra. Tsy ilay efitrefitra mahavalalanina Fa ireo[. . .]

  • Hira Faneva Faha 50 taona FJKM

    1- Taona maro no efa nijoroana Nitoriana Teny mahasoa Nihazomanao ny finoana Ry Fiangona-mamin\'ni Jesoa Isan\'andininy: T[. . .]

    Fikambanana Fianarana

    » An-tsipirihany
  • Vontosy filazantsara i Madagasikara

    Tononkalo fanentanana ho anao izay mitady ho kivy na hangatsiaka amin\'ny asa fanompoana sy fitoriana ny Filazantsara, nefa nametr[. . .]

    Irako AMMI A.

    » An-tsipirihany