Mahereza, Mahefa

Isika mpiara-miangona izao no antsoina

Hanao tsangambato iray sarobidy

Fitoera-masina k’aza hadinoina

Fa ny Tompo iray Tsitoha no nifidy

 

Ireo didiny no hankatoavintsika

Hahazoana fitahian-tsy ho rava

Izay nikelezana aina dia ho vita

Fa manentana antsika ny mazava

 

Koa antenaina fa ny ho avy dia ho manga

Lovasoa ho an’ny zanaka amam-para

Fa na inona na inona mitranga

Tsy ho very maina ireo asa tsara.

 

 Réf : Dia mahereza, mahefà(mahefà)

          Eo amin’ny asa izay atao

         Mahereza, mahefà(mahefà)

         Ny Tompo no mijery anao.

 

Tonony sy feony : RAKOTOARISOA Raymond


00
RAKOTOARISOA Raymond


Crée le lundi 01 mai 2017 à 22:41:54

Jereo ihany koa

  • Ilay tany Kanàna

    Tany tsara, tondra-dronono sy tantely, No natolotra itoeran’ny Isiraely, Tany soa mahavokatra, mahatamàna, Ilay[. . .]

    Pasteur Randrianomenjanahary Narivelo Nirina

    » An-tsipirihany
  • MANGIDY-MAMY

    MANGIDY sy mafaitra, Mangeroka tsy laitra, Izato tsirom-piainana, Ka iza no itarainana? Toa tena tsirom-bahona, Masoandro tak[. . .]

    Pasteur Randrianomenjanahary Narivelo Nirina

    » An-tsipirihany
  • ASA 16. 16-34

    Tononkalo notsongaina tao amin\'ny Asan\'ny Apostoly 16. 16-34 an-tononkalo

    Pasteur Randrianomenjanahary Narivelo Nirina

    » An-tsipirihany
  • Hataka

    Ry Tompo Zanahary, Ny ankohonanay Tahio ka mba arovy, Ho hita Miharihary Fa... mialoka aminao... Tsy ho rambony izahay, Ny[. . .]

    Zo Nantenaina

    » An-tsipirihany