Tranom-bitsika

Raha endrika ivelany toa tsy maha-taitra

F'izay zava-raiketiny no tena tsy laitra.

Tsy ilay efitrefitra mahavalalanina

Fa ireo zava-tsoa maro azo tavanina.

 

Ny rindran-damin'ny fiaraha-miaina!

Fifanampian’ny maro tsy hay tohaina:

Ny miasa…miasa mandrafitra trano,

Ny hafa kosa miaro tsy hidiran’angano.

 

Anatiny ao toa tsy haiko ny hanambara,

Misy amby ampy ho an’ny dimby sy fara;

K’izay mangetaheta… migoka tantely,

Ny mahatsiaro noana…manombina kely.

 

Ny fifampizaràna tsy misy vanim-potoana:

Andro aman’alina, rininina sy lohataona

Tsy matory fa miasa,mitaona tsy mitsahatra

Ho enti-mitsinjo ilay fahavaratra.

 

Ny tsara ho tahafina amin’ity tranontsika

Dia ilay loharano mamy tovozin-tsy ritra;

An’alin-kisa no nandalo, nitrandraka foana,

Fa izy eo ihany…mivoatra…manaraka vanimpotoana.

 

Vitsika mpitarika ( 13 des 2017)


20
JIRajira


Crée le mardi 01 mai 2018 à 07:09:20

Jereo ihany koa

  • MANGIDY-MAMY

    MANGIDY sy mafaitra, Mangeroka tsy laitra, Izato tsirom-piainana, Ka iza no itarainana? Toa tena tsirom-bahona, Masoandro tak[. . .]

    Pasteur Randrianomenjanahary Narivelo Nirina

    » An-tsipirihany
  • Hira Faneva Faha 50 taona FJKM

    1- Taona maro no efa nijoroana Nitoriana Teny mahasoa Nihazomanao ny finoana Ry Fiangona-mamin\'ni Jesoa Isan\'andininy: T[. . .]

    Fikambanana Fianarana

    » An-tsipirihany
  • ASA 16. 16-34

    Tononkalo notsongaina tao amin\'ny Asan\'ny Apostoly 16. 16-34 an-tononkalo

    Pasteur Randrianomenjanahary Narivelo Nirina

    » An-tsipirihany
  • 30 taona naha-mpitandrina 30 taona fanambadiana

    Tononkalo nosoratan\'i Jira natokana ho an-dRamatoa mpitandrina nohon\'ny faha-30 taona naha-mpitandrina azy ary koa faha-30 taona[. . .]