Mijoroa

1. Taona maro no efa nijoroana

Nitoriana Teny mahasoa

Nihazonanao ny finoana

Ry fiangona-mamin’i Jesoa

 

2. Koa sahia tano ny fanilo

Eto anivon’ity Nosy ity

Ho fahazavana ka hitsilo

Ny haizina mandrakotra aty

 

3. Mila anao ny Tompo ankehitriny

Ry fiangonana ô ka mijoroa

Miaingà fa ianao no iriny

Mba ho irany tokoa tokoa

 

Fiverenana:

Tsy fanahy osa fa mahery no nomena

Sady be fitiavana no mahafehy tena

Aoka tsy ho menatra fa mba hijoro hatrany

Ho vavolombelon’i Jesoa ihany

 

Tonony sy feony

RAMAROLAHY Mahazosoa Nirina


00
Fikambanana Fianarana


Crée le jeudi 26 avril 2018 à 13:54:25

Jereo ihany koa

  • Ilay tany Kanàna

    Tany tsara, tondra-dronono sy tantely, No natolotra itoeran’ny Isiraely, Tany soa mahavokatra, mahatamàna, Ilay[. . .]

    Pasteur Randrianomenjanahary Narivelo Nirina

    » An-tsipirihany
  • II TAN 19.4-11 an-tononkalo

    Tamin\'ny andro nanjakan\'i Josafata, Ny fanompoan-tsampy no nahazo laka, Tsy sitrany izany ho zavatra tazana, Niriany ny hi[. . .]

    Pasteur Randrianomenjanahary Narivelo Nirina

    » An-tsipirihany
  • Hataka

    Ry Tompo Zanahary, Ny ankohonanay Tahio ka mba arovy, Ho hita Miharihary Fa... mialoka aminao... Tsy ho rambony izahay, Ny[. . .]

    Zo Nantenaina

    » An-tsipirihany
  • MIZARA HAFALIANA!

    Ho gaga angamba ise raha ilazako F’ilay bibikely, ilay mpitsindroka fako, Dia tsy mba miavona na koa tia tena Fa mizara f[. . .]