Hetsika 08 Martsa 2019 (Andron'ny vehivavy 2019)

HO AN'NY SAMPANA DORKASY

Hotanterahina eny amin’ny FOFIKRI Ilafy ny fankalazana ny Andron’ny vehivavy 08 Martsa amin’ity taona 2019 ity;

1) Ireto avy ny zavatra ho hita amin’izany mandritry ny fankalazana :

- Atelier momba ny fiainan-tokatrano
- Fampianarana fanamboarana voninkazo
- Fahaiza-miaina samihafa
- Fanaingoana ny ao an-trano
-Fiainan-tokatrano sy fifampizarana

2) Hisy ny filaharambe ka toy izao ny fandaminana

- Ho an’ireo avy amin’ny Faritra atsimo : SP 10,11,12 sy ny hafa dia eo amin’ ny Station Shell AMBOHITRARAHABA
-Ho an’ireo avy amin’ny Faritra Avaratra : SP 19, 22 sy ny hafa , eo Sabotsy Namehana .

Fanamarihana: Aoka samy hitondra Banderole isam-piangonana ka izao no soratra ho hita «F.J.K.M. …… mankalaza an’ Andriamanitra noho ny faha-50 Taona miaina ny 08 Martsa ».

Noho izany dia hanao fanamiana iombonana isika dia Tee-shirt ny faha-50 Taona ampiarahina aminn’y jupe sarim-boninkazo (jupe fleurie). Azonao raisina ao amin’ny Birao Dorkasy FOIBE ny Tee-shirt.

3) Mahakasika ny fandaminana

- Izay handray anjara amin’ny Hira sy Hira gasy dia misoratra anarana mialoha hahazoana manao ny fandaminana.
- Izay maniry hanao stand kosa ka hivarotra taozavatra na vokatry ny tany na sakafo na zavatra hafa dia misorata anarana mialoha aty amin’ny Foibe Dorkasy sady mandoa ny sarany 15.000 ar.

– Fandraisana anjara : 500Ar isan'olona na ankizy na olon-dehibe.

Fifandraisana:
> 033 19 230 40 / 034 50 998 93 (Tonia)
> 033 41 790 34 / 034 76 470 37 / 032 25 713 44 (Mpandraharaha)


20
Fikambanana Fianarana


Crée le vendredi 01 mars 2019 à 07:29:27

Jereo ihany koa

  • Fampirantiana faha 150-taonan'Isan'enimbolan'Imerina

    Nosokafana omaly 24 -27 Aprily 2018 ny Fampirantiana karakarain’ny Foibe Arsiva sy Tranombakoka FJKM mahakasika ny fanamari[. . .]

    Fikambanana Fianarana

    » An-tsipirihany
  • Antsam-panahy Ny Mpitory sy ny SOLOFO Ambalavao Isotry

    Isaorana anie Andriamanitra fa nizotra araka ny tokony ho izy ny antsam-piderana izay notontosain\'Ny Mpitory sy ny SOLOFO Ambal[. . .]

    Fikambanana Fianarana

    » An-tsipirihany
  • Fankalazana telo sosona teto amin'ny FJKM Ambalavao isotry

    Ny alahady 12 novambra 2017, tamin\'ny 9ora maraina, no nankalazaina teto amin\'ny FJKM Ambalavao Isotry ny fankalazana telo soson[. . .]

  • FJKM 50T / Toamasina 2018

    Fampahalalam-baovao mahakasika ny fahafenoan\'ny faha 50 Taona FJKM sy ny faha 200 Taona LMS izay ho tanterahina any Toamasina

    Fikambanana Fianarana

    » An-tsipirihany