Filazana manjo

"Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho;" 2Tim.4:7

Ampandrenesina isika mpianakavy ny finoana eto amin'ny FJKM Ambalavao Isotry fa Itompokovavy BAKOHELISOA Voahirana Mpikambana ao amin'ny SAmpana FIFohazana, Biraon'ny Diakona sy Loholona dia nodimandry tany Morondava raha tonga hamonjy ny fihaonam-be ny SAFIF.

Ny razana dia ho tonga eto Antananarivo ny maraina ary hisy fanompoam-pivavahana manomboka amin'ny 5:30 maraina eto an-toerana hitsenana azy alohan'ny hanaterana azy eny Morarano Alakamisy Fenoarivo. Hisy ny famangiana ataon'ny fiangonana aorian'ny fanompoam-pivavahana.

Ny Razana dia hatao veloma farany ao amin'ny FJKM Marianne Hermona Alakamisy ny zoma 14 septambra 2018 amin'ny 1ora tolak'andro alohan'ny hametrahana azy eny amin'ny fasan-drazany eny Morarano ihany. Hisy ny famangiana faharoa izay ataon'ny Fiangonana ny zoma amin'ny 11:30 eny an-toerana. Dia mirary fihononana feno ho an'ny fianakaviana rehetra.


10
Fikambanana Fianarana


Crée le mardi 11 septembre 2018 à 19:57:28

Jereo ihany koa

  • Fankalazana telo sosona teto amin'ny FJKM Ambalavao isotry

    Ny alahady 12 novambra 2017, tamin\'ny 9ora maraina, no nankalazaina teto amin\'ny FJKM Ambalavao Isotry ny fankalazana telo soson[. . .]

  • Fampirantiana faha 150-taonan'Isan'enimbolan'Imerina

    Nosokafana omaly 24 -27 Aprily 2018 ny Fampirantiana karakarain’ny Foibe Arsiva sy Tranombakoka FJKM mahakasika ny fanamari[. . .]

    Fikambanana Fianarana

    » An-tsipirihany
  • Faha 200 Taona LMS, 50 Taona FJKM

    Notontosaina tany Antsiranana ny 18-20 aogositra 2017 ny fanokafana ny fankalazana ny faha200 taona nidiran\'ny LMS teto Madagasik[. . .]

  • Fanasana VOKA-DEHIBE

    Solon-taratasy fiantsoana ireo zanaka am-pielezana rehetra eto amin\'ny FJKM Ambalavao Isotry.

    Fikambanana Fianarana

    » An-tsipirihany