Antsam-panahy Ny Mpitory sy ny SOLOFO Ambalavao Isotry

(Sary nindramina)

Isaorana anie Andriamanitra fa nizotra araka ny tokony ho izy ny antsam-piderana izay notontosain'Ny Mpitory sy ny SOLOFO Ambalavao Isotry ny alahady faha 22 Jolay 2018 lasa teo teto amin'ny FJKM Ambalavao Isotry.

Marihina fa ity antsam-piderana ity dia natokana ho fankalazana ny Alahady ny Mpitandrina RAZAFINDRAMANITRA Vololoniaina. Maro ny olona no niara nanome voninahitra an'Andriamanitra ka tonga nanotrona ary niara-nitondra am-bavaka hatrany ny Mpitandrina sy ny raharaham-piangonana izay miandry ny sampana sy ny fikambanana rehetra mandritra ity taona ity.
Nifandimby moa ny tarika roa tonta ary niara namarana ny antsam-piderana izay narahan'ny tso-dranon'ny Mpitandrina.

Ny asanay hatao anio

Atrehonao ka mba tahio,

Hatao ho voninahitrao,

Handraisanay ny antranao.

Izany no vavaka an-kiran'ny SOLOFO nandritry ny fampisehoana.

Amorony fo madio aho Andriamanitra ô!

Fo iray hiorim-paka mafy ao aminao

Handosiran’i Satana, fa hivoha hidanadana

Ho henika sy feno ny hasoavanao.

Mba tolory saina tsara aho Tompo Masina ô!

Mba hisainako ny lala-mankany aminao

Saina afaka hahalala, fa tsy ny lala-migodàna

No hanatrarana ilay Paradisa soa

Akekezo ê!, ity ny tanako fihino

Fa manonja anie ity rano be

Aza avela handeha irery

Tantàno an-dàlana aho sao very Jesôsy ô!, Ianao no tokiko

Ilay fanahy mahaolona nomenao ahy koa

Azoko ambara fa raha toa tsy arovanao

Dia manjary mampanahy, raha tratry ny fakam-panahy

Ka farany ho may sy ho ratsy fiafaràna

Ny tongotro ny tànako, ny loha ny masoko

Ny eritreritro, ny sofiko ny vavako

’Zany hoe raha atontaly, tsy zava-bitsivitsy ihany

F’izaho mihitsy no apetrako aminao

Ny Mpitory (Amorony fo madio)

"Ary ho mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerako masina izy, dia ho mpiadidy ny amin'ny fiandrasana ny vavahadin'ny tempoly sy ho mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny tempoly;" Eze. 44:11a

"Mihira ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony." 1Tan 16:9

Ny Mpitandrina dia maneho fisaorana antsika rehetra mpianakavy ny finoana.

(Sary nindramina)


10
Fikambanana Fianarana


Crée le mardi 24 juillet 2018 à 13:32:25

Jereo ihany koa

  • FJKM 50T / Toamasina 2018

    Fampahalalam-baovao mahakasika ny fahafenoan\'ny faha 50 Taona FJKM sy ny faha 200 Taona LMS izay ho tanterahina any Toamasina

    Fikambanana Fianarana

    » An-tsipirihany
  • Fanasana VOKA-DEHIBE

    Solon-taratasy fiantsoana ireo zanaka am-pielezana rehetra eto amin\'ny FJKM Ambalavao Isotry.

    Fikambanana Fianarana

    » An-tsipirihany
  • Fampirantiana faha 150-taonan'Isan'enimbolan'Imerina

    Nosokafana omaly 24 -27 Aprily 2018 ny Fampirantiana karakarain’ny Foibe Arsiva sy Tranombakoka FJKM mahakasika ny fanamari[. . .]

    Fikambanana Fianarana

    » An-tsipirihany
  • Hetsika 08 Martsa 2019 (Andron'ny vehivavy 2019)

    HO AN\'NY SAMPANA DORKASY Hotanterahina eny amin’ny FOFIKRI Ilafy ny fankalazana ny Andron’ny vehivavy 08 Martsa amin[. . .]

    Fikambanana Fianarana

    » An-tsipirihany