Fanasana VOKA-DEHIBE

"... Fa izay mamafy ho an'ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin'ny Fanahy". (Gal. 6:8)

Tonga indray ity ny volana May 2010 izay FANATERAM-BOKATRA HO AN'ANDRIAMANITRA, koa manasa anareo zanaka rehetra mba hiara-hidera sy hanompo an'Andriamanitra amin'ny Alahady 06 May 2018, miditra amin'ny 7 ora 30 minitra sy amin'ny 10 ora 30 minitra ny fotoam-pivavahana. Dia manantena antsika hifanohana amin'ny Asan'ny Tompo, ary dia misaotra anareo noho izay efa vitanareo tamin'ny lasa. Andriamanitra anie hamaly fitia. Ny teti-bolan'ny Fiangonana amin'ity dia: 71 000 000Ar.

Fa hoy ny Soratra Masina:

"Ary aza mba ketraka amin'ny fanaovan-tsoa isika, fa amin'ny fotoan'andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika... Fa tsy ho foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo". Gal.5: 9, IKor.15:58).

Dia mankasitraka mialoha ary mametraka anareo eo ambany fahasoavan'Andriamanitra sady manao veloma amin'ny Anaran'ny Tompo.

Ny Mpitandrina RAZAFINDRAMANITRA Vololoniaina


10
Fikambanana Fianarana


Crée le vendredi 04 mai 2018 à 13:24:01

Jereo ihany koa

  • Fifampiarahabana tratry ny taona 2018

    Ireto ireo sampana nahatontosa ny fifampiarahabana taom-baovao 2018 ka nahatonga tatitra momba izany : SLK : Espace JIM Anosizato[. . .]

  • FJKM 50T / Toamasina 2018

    Fampahalalam-baovao mahakasika ny fahafenoan\'ny faha 50 Taona FJKM sy ny faha 200 Taona LMS izay ho tanterahina any Toamasina

    Fikambanana Fianarana

    » An-tsipirihany
  • Fankalazana telo sosona teto amin'ny FJKM Ambalavao isotry

    Ny alahady 12 novambra 2017, tamin\'ny 9ora maraina, no nankalazaina teto amin\'ny FJKM Ambalavao Isotry ny fankalazana telo soson[. . .]

  • Fankalazana faha-20 taona ny fiaraha-miasa amin'ny Mpitandrina

    Novambra 1995, novambra 2017, feno 20 taona katroka ny fiaraha-miasa ny Mpitandrina RAZAFINDRAMANITRA Vololoniaina mianakavy sy ny[. . .]