Fampirantiana faha 150-taonan'Isan'enimbolan'Imerina

Nosokafana omaly 24 -27 Aprily 2018 ny Fampirantiana karakarain’ny Foibe Arsiva sy Tranombakoka FJKM mahakasika ny fanamarihana ny faha–150 Taonan’ny Isan’enimbolan’Imerina (I6B-Imerina)

Ny toerana hanatanterahana izany dia ao amin’ny efitrano malalaky ny Foibe FJKM , efitrano faha-201. Ho hitantsika ao ny tantaran’ireo fiangonana mahatratra ny faha-150 sy ny mihoatra .

Nitarika ny Fanompoampivavahana sady nanokatra ny fampirantiana sady nisolo tena ny Filohan’ny FJKM ny Mpitandrina RAVELOARISOA Armande, solotenan’ny MF mpiahy .Navoitran’ny mpandahanteny tao anatin’ny toriteny tao amin’ny 1 Mpanj 6.20 sy Jer 36.20 ny maha-zavadehibe ny fitehirizana ny tantaran’ny Fiangonana satria manambara ny antom-pisiany izany .Tena fijoroana ho vavolombelona manambara ny fahaveloman’ny fiangonana ny fampahafantarana ny làlana nodiavin’ny fiangonana hatramin’ny ankehitriny . Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika , aza menatra ny fiombonana fa iray ihany isika na dia samy manana ny heviny aza.

Nandray anjara fitenenana avy eo ny Talen’ny Arsiva sy Tranombakoka , ny Mpitandrina RALISON Fara fanja . Ny I6B n’Imerina no niteraka ny Asa fitoriana ny Filazantsara , tany aminn’y taona 1873 tany ho any . Naparitaka tany anindratany ny Evanjelistra. Hoy ny tarigetra tamin’izany «vereza izay ho very sy izay ho faty raha tsy ataontsika tonga ho an’i Kristy ny eto anivon’ny riaka ».

Tonga nanome voninahitra ny fotoam-panokafana ireo avy amin’ny Sakaizan’ny Tranombakoka sy Arsiva (SATRANA), ireo Tonian’ny Sampana sy Sampanasa ary Asa , ny mpiasa eto amin’ny FOIBE,ireo Mpitandrina sy kristiana avy amin’ny fiangonana eto andrenivohitra sy ny manodidina .

Mbola hitohy hatramin’ny Zoma 27 Aprily ho avy izao ny fampirantiana , izay hanentanana antsika fiangonana mba hitsidika izany fa zava-dehibe hirosoana ho amin’ny alohaloha kokoa ny fahafantarana ny tantara.

« Avia ka jereo ny asan’ Andriamanitra…« Sal66.5

Nangonin-dRamatoa Sahondra Rabelison


10
Fikambanana Fianarana


Crée le jeudi 26 avril 2018 à 10:52:30

Jereo ihany koa

  • Hetsika 08 Martsa 2019 (Andron'ny vehivavy 2019)

    HO AN\'NY SAMPANA DORKASY Hotanterahina eny amin’ny FOFIKRI Ilafy ny fankalazana ny Andron’ny vehivavy 08 Martsa amin[. . .]

    Fikambanana Fianarana

    » An-tsipirihany
  • FJKM 50T / Toamasina 2018

    Fampahalalam-baovao mahakasika ny fahafenoan\'ny faha 50 Taona FJKM sy ny faha 200 Taona LMS izay ho tanterahina any Toamasina

    Fikambanana Fianarana

    » An-tsipirihany
  • Fifampiarahabana tratry ny taona 2018

    Ireto ireo sampana nahatontosa ny fifampiarahabana taom-baovao 2018 ka nahatonga tatitra momba izany : SLK : Espace JIM Anosizato[. . .]

  • Fanasana VOKA-DEHIBE

    Solon-taratasy fiantsoana ireo zanaka am-pielezana rehetra eto amin\'ny FJKM Ambalavao Isotry.

    Fikambanana Fianarana

    » An-tsipirihany