Ny fahasoavana dia fanomezana avy amin’Andriamanitra izay mifanaiky Aminy. Arak’izany ny fahasoavana dia fanekena atolotr’Andriamanitra amin’izay mino Azy; amin’ny alalan’ny Finoana ananany ao anatiny. Izany hoe fifanarahana ataony amin’ny mpanompony. Noho izany, ny fahasoavana dia azo lazaina ho fanomezana omen’Andriamanitra ho an’izay mitia Azy sy mitady Azy amin’ny alalan’ny FINOANA. (Efe.2:4-10 / IKor.12:4 / IIKor.12:9)
Miainga avy amin’ny alalan’ny hafanam-po ny fanantanterahana ny asa fanompoana izany hoe “ny fo” no mitondra azy satria misy faharesen-dahatr’ilay olona manao azy. Ka noho ny fananany fitiavana no ahafahany manao izany.Noho izany ,ny fanatanterahana ireo rehetra ireo dia antoka lehibe izay isehoan’ny fampandrosoana ny fanompoana an’I Kristy eo amin’ny Fiangonana, ary antoka iray hita maso ihany koa amin’ny fampandrosoana ny maha-kristiana. (Lio.22:26 / Jao.13:1-16)
Ity tranonkalam-pifandraisana ity dia natsangan'ny FIkambanana FIanarana ho anao mba ifampizarana ny Vaovao Mahafaly, ny zava-mahasoa, ho fijoroana vavolombelona ny amin'ny fahasoavan'i Jesoa Kristy.
Asainay ary ianao hisoratra anarana mba anisan'ireo handray anjara ny amin'izany.
Manana talenta amin'ny tononkalo? Manana vatsim-panahy? Sa manana tantara ny ampitso momba ny finoana izay tiana ho zaraina amin'ny hafa? Zarao amin'ny mpino rehetra ry sakaiza.
Ny FIkambanana FIanarana (FI.FI.) dia Fikambanana iray eto amin'ny FJKM Ambalavao Isotry izay niorina ny taona 2001. Araka izany anarana izany dia mpianatra no maro anisa ao. Ao ny manan-talenta amin'ny fampianaran-kira sy Solfa, ny teny anglisy, ny teny alimana, sns sns... Tsy nitazona ny fahaizany ho azy irery anefa ireo manan-talenta ireo fa nifampizara tamin'ny mpikambana namany ary ataonay fa tsy hijanona eo amin'ny mpikambana irery ihany izany fifampizarana izany fa natao ho an'ny kristianina rehetra.
Ny talenta sy ny fahaizana raha tsy ampiasaina dia ho levona ho azy ary mety ho faty mihintsy aza. Koa ampiasao amin'ny soa sy ny tsara araka ny sitrapon'Andriamanitra ny talentanao, dia ho hitanao fa ampitomboan'Andriamanitra avo zato heny izany.